♦ Sakana ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly indrindra ho an'ireo olona ambony ny fisian'ilay fakana fahazoan-dalàna manokana mialoha ny hanaovana fanadihadihana sy fanejehana ara-pitsarana hoy ny filohan'ny komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Avotra teo am-pelan-tanan'ireo naka ankeriny azy i Zafindrafaly, zaza varira 8 taona, tany amin'ny distrikan'i Vaingandrano, ahiana ny ho avin'ireo zaza varira 64 tezaina ao amin'ny sekolin'ny jamba ao Farafangana noho ny olana tsy fampiana vatsy hiatohana azy ireo... ♦ Tsy mbola naharaisam-baovao ny momba ilay fiaramanidina kely ULM sy ireo teratany Frantsay miisa roa mpanamory azy rehefa niala tany Nosy be saika hiazo an'i Dzaoudzi, ny alahady teo...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241023.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...