♦ Nandeha tamin'ny ampahany ny asam-pitsaràna teny Anosy ny maraina teo, nandritra ny hetsiky ny SMM. Hihaona amin'ireo tompon'andraikitra ambony ny fitakiana ireo mpitsara... ♦ Tokony hitandrina ny filoha amin'ny teny lazainy amin'ny vahoaka, manoloana ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray... ♦ Manomboka midina ny fari-pahaizan'ny mpianatra, noho ny delestazy misy amin'izao, hoy ireo mpampianatra. Maro ireo tsy miana-desona sy tsy mahavita enti-mody, noho ny tsy fisian-jiro amin'ny hariva... ♦ Sarona ny tambajotra mpanodikodina volam-panjakàna any Burkina-Faso. Mpiasa maro anivon'ny ministeran'ny asa any an-toerana no efa nosamborina sy natao fanadihadiana...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241105.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...