Mihaona amin'ny Aigles de Carthage Toniziana atsy Pretoria amin'izao ora izao, ny Barean'i Madagasikara...
Nokianin'ny KMF/Cnoe ny fivoizan'ireo mpirotsaka ho fidiana sasany, milaza fa kandidàm-panjakana. Tsy hampitovy herijika ireo mpifaninana ny fivoizana izany, hoy ity firaisamonim-pirenena ity, androany...
Ampy, ary tsy misy atahorana ny tahirim-bary eto amintsika amin'izao, hoy ny Minisitry ny Varotra. Nanazava ny momba ny fifehezana ny vidim-bary koa izy, androany...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.