Nifarana omaly ny fihaonambe nasiônaly faha-12 ho an'ny Aumonierie Catholique des Prisons, nisy ny fehin-kevitra nivoaka tamin'izany...
Manentana ny olom-pirenena mba handray anjara amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao ny HCDED, Filan-kevitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakàna tan-Dalàna...
Hanatanteraka tetik'asa miisa 2 momba ny fahaizana miatrika ny ambana sy fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara ny USAID. Vola mitentina 22 tapitrisa Dôlara no enti-manao izany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.