• Nihaona tamin'i Papa François, omaly, ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Fabien...
  • Hanohy ny asany tsy ho ela ny orinasa Base Toliara. Nofoanan'ny Fanjakàna ny fampiatoana ny asa fitrandrahana nataon'ny orinasa tamin'ny taona 2019...
  • Ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron'i Mania rahampitso Zoma. Mety hiteraka fikorontanan'ny asa aman-draharaha andavan'andro izany amin'ireo toerana mora tondraka. Entanina ny rehetra hanaraka ny toromarika homen'ny manam-pahefana hoy ny Météo Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...