• Andrasana ny hafatra sy ny fanambarana havoakan'ireo mpizaika manatrika ny kômity Foibe faha -46 ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na ny FFKM, izay tanterahina any Morondava nanomboka omaly talata...
  • Hanomboka anio alarobia 4 desambra ao Tetezambaro-Toamasina ny andiany faharoa amin'ny fifaninana handraisana ireo mpandraharahan'ny fonja, tsy andeferana ny resaka kolikoly hoy ny mpitantana ny ENAP...
  • Miato mandritra ny fotoana fohy ny fanamboarana pasipaoro malagasy, noho ny olana ara-teknika, mitohy ny fandraisana ireo antotantaratasy fangatahana hoy ny avy amin'ny ministeran'ny filaminam-bahoaka...
  • Anio alarobia amin'ny 4 ora tolak'andro ora any Frantsa no hiadian-kevitra eny amin'ny antenimieram-pirenena ny momba ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta Michel Barnier...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...