Hisitraka ny fandaharan'asa "Mifampitsimbina" hanampiana ireo tokandrano marefo, ny tokantrano miisa 50.000 manerana ny nosy. Natomboky ny filohan'ny Repoblika tao an-drenivohitra ny fizarana vary 1 gona sy ny sakafo sy PPN...
Nampiakatra ny toerana misy ny kandidà ben'ny tanàna natolotry ny antoko miaradia amin'ny Fanjakàna ao an-drenivohitra ny fifanaratsiana eo amin'ny samy mpanohitra hoy ny antoko PRM...
Mbola misy eto Madagasikara ny aretina Pesta. Distrika 45 no ahitana ny pesta atoditarimo sy ny pesta aretin-tratra hoy ny tale misahana ny ady amin'ny areti-mifindra, ao amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.