Tany amin'ny 400 km atsinanana somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay rivodoza Chido, ny tolakandro teo. Nisy fiovana ireo filazana loza fanairana sy manambana ho an'ny Faritra Diana...
Barofo no nisy tamin'ny fifidianana omaly, fa tsy tsy fahatomombanana fotsiny, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nilaza ny tsy haniky lembenana izy, ka niantso ireo mpanara-dia hiray hina...
Nahatratra 54 ireo nametraka antontan-taratasy maniry ny ho mpanazatra ny Barea. Teratany vahiny avokoa ny maro an'isa amin'izy ireo, hoy ny vaovao niparitaka androany...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.