• Tsy araka ny tokony ho izy ny fizotry ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina notanterahina teto Madagasikara hoy ny Antoko Madagasikara Endrika Vanona...
  • Hatahorana amin'ny aretina homamiadan'ny hoditra ny 80% amin'ny olona manana toe-batana varira eto Madagasikara, hiara hiasa amin'ny fanohanana azy ireo ny fikambanana Albinos Madagascar sy ny fondation Pierre Fabre...
  • Misy ireo mpiasa torana noho ny hamafin'ny asa amin'ireny orinasa afak'haba ireny, miantso ny fandraisana andraikitry ny Fanjakàna ny Sendikan'ny mpiasa FISEMARE...
  • Niverina eo anivon'ny antenimieram-pirenena indray rehefa nandamoaka ny 7 desambra lasa teo ny fitsipaham-pitokisana vaovao mahazo ny filoha an'i Corée Atsimo, Yoon Suk Yeol...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...