Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny 11 desambra 2024: Nahatratra 48,79% ny taham-pandraisan'anjaran'ny mpifidy manerana ny nosy. Voahaja ny tetiandro 10 andro nikirakirana ny voka-pifidianana...
Misedra olana amin'ny famokarana herinaratra ny eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo noho ny fihenan'ireo tohadrano. Nampanantena ny tsy hisian'ny délestage mandritra ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona, ny orinasa JIRAMA...
Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany amin'io taona 2025 io ny Lycée Moderne Ampefiloha. Ny sekoly dia tsy nitsanga-menatra raha miohatra amin'ireo sekoly manerana an'i Madagasikara tao anatin'izay 60 taona izay...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.