• Nivoaka androany vao maraim-be, tao aorian'ny fiakarany fampanoavana, ny fanapahana momba ireo olona miisa dimy tratran'ny zandary nitondra sokatra tsy ara-dalàana teny Morondava Antehiroka. Mialokaloka any am-ponja vonjy maika ilay olom-boafidy miaraka amin'ny namany miisa dimy...
  • Niverina namoaka vaovao teo amin'ny pejy Facebook indray ny CENI omaly tolakandro. Nisongadina tamin'izany ny tatitra ankapobeny momba ny isan'ireo Ben'ny Tanàna manerana ny nosy ny faritany...
  • Faran'izay maloto ny rivotra amin'ny tontolo iainana eto Antananarivo. Tafakatra 7 hatramin'ny 10 heny amin'ny fenitra apetraky ny OMS izany, hoy ny Météo malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...