• Hiara-hiasa, hifampizara antontam-baovao, ny ONE sy ny BNGRC, ary ny ONE sy ny SMA, mba hahafahana mandray fepetra momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Tontosa teny Antanimora ny sonia fiaraha-miasa amin'izany...
  • Hisitraka orana tandrifindrahona arahin-kotroka ny faritra maro eto amin'ny nosy, ao anatin'ny telo andro ho avy, manomboka androany. Hidina ny mari-pana mandritra izay telo andro izay, indrindra amin'ny afovoan-tany...
  • Hitondra fampandrosoana ny tetik'asa Base Toliara, hoy ny Ben'ny Tanàna Dédé Vita Sidson. Ny tanànan'i Toliara izay efa nitondra ny anjara birikiny namaritra ny toerana hametrahan'ny orinasa ny fotodrafitr'asany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...