Nirehitra nanomboka ny alakamisy teo ny velaran-tany 20 Ha, ao amin'ny valan-javaboahary ao Ranomafana, Distrikan'i Fanadiana. Ny sabotsy teo vao tena voafehy ny afo...
Miisa 5 ireo olona nampidirina am-ponja vokatry ny fahamaizan'ny ala sy ny tanety tao amin'ny Faritr'i Fitovinany. Velaran-tany 765 Ha, no kilan'ny afo. Misy ny trano fonenana may ka olona 1000 no traboina...
Mametraka tolotra vaovao ho an'ny tantsaha mpikambana ao aminy ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra Nasiônaly. Tolotra hanampiana ny mpamokatra tohanan'ny vondrona eraopeanina mandritra ny roa taona...
Hatao andro fisaonana ny any etazonia ny 9 janoary 2025 izao noho ny fahafatesan'ny filoha amerikanina teo aloha Jimmy Carter...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.