Miantso ny olona hibebaka ny kardinaly Desiré Tsarahazana Arsevekan'i Toamasina. Aoka hoy izy tsy hirehareha amin'ny fanaovan-dratsy isika...
Fitaovana ahafahana miady amin'ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ampisongadina ny fambolena ny famokaram-bary hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Hanao ezaka hanatsaràna ny vokatra ny fitondrana hoy izy...
Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanamaitsoana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fambolen-kazo ny kristianina katôlika any amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa. Ny talata faran'ny taona teo no nosokafana ny taom-pambolen-kazo ho an'ity Diôsezy ity...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.