• Miantso ireo Raiamandreny am-panahy tsy hihanona amin'ny fanambaràna ny Randrana Sendikaly, fa hamory ireo mpisehatra pôlitika. Miahiahy krisy eto amin'ny firenena ity vondrona sendikà ity...
  • Misy andro ratsy ahiana hivadika rivo-doza any antsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hanambana ny morontsirak'i Madagasikara izy io ny sabotsy izao...
  • Ahiana hihena be ny voka-bary any Ambatondrazaka izay sompitr'i Madagasikara amin'ity taom-pambolena ity...
  • Nitrangàna horohoron-tany mahery vaika tany atsimo andrefan'i Chine androany. Nahatratra 6,8 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny. Olona 53 farafahakeliny no namoy ny ainy, vokatr'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...