• Nitondra valin-kafatra ho an'ny mpanohitra ireo antoko manohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Tsy ilaina intsony ny fanakorontanana ny fiainam-pirenena fa ny fampandrosoana izao no imasoana hoy izy ireo...
  • Tsy maintsy ampidinina ao anatin'ny 1 volana sy tapany ny vidim-bary eto Madagasikara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa vita ny kajy fa tokony ho 750 Ariary ny kapoakan'ny vary afarana avy any ivelany...
  • Misedra olana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Misy ny fahatapahana indray mandeha maharitra adiny telo hoy ny Jirama. Ho voavaha ny olana amin'ity taona ity hoy ny ministra tompon'andraikitra amin'ny alalan'ny tetik'asa fametrahana foibe mamokatra herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro sy avy amin'ny menaka mavesatra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...