Tany amin'ny 596 km atsinanana somary avaratra-atsinanan'i Sambava no nisy ny foiben'ilay rivo-doza DIKELEDI tamin'ny 3 ora tolak'andro teo...
Tranombarotra iray tao amin'ny tsenan'Ankirihiry-Toamasina no norobain'ny jiolahy miisa 3 nirongo basy, androany tamin'ny 1 ora tolak'andro. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny vola 1 gony...
Hamory mpanao pôlitika sy ny hery velona rehetra eto amin'ny firenena ny ACS sy ny KIIM ary ny HPM ny 17 janoary izao eny amin'ny Arrupe Faravohitra, entina hikarohana ny hevitra hanavotana ny firenena...
Nohamasinin'i Kardinaly Petro Parlin androany ny Eglizy vaovao tsy lavitra ny morondranon'i Jordany izay nanaovan'i Joany batemy ani Jesoa...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.