Mikisaka mianatsimo ilay rivo-doza Dikeledi atsy amin'ny lakandranon'i Mozambika. Tany amin'ny 543 km avaratra somary andrefan'i Morombe no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Ho mafy ny rivotra entiny any amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy...
Mahazo rano ny tanimbary any amin'ny lemak'Alaotra. Manararaotra izany ny tantsaha ka ao anatin'ny fanetsana ireo izay mbola tsy nahavita izany. Tsy ho toa ny isan-taona anefa ny voka-bary amin'ity taona ity hoy izy ireo...
Manao antso avo amin'ny ministra tompon'anrdaikitra sy ny Bianco hanara-maso ny fitsaràna ny raharaham-pifidianana any aminy ny kandidà ben'ny tanàna ao Antsiranana. Manahy ny fisian'ny trangana kolikoly izy ireo...
Miditra amin'ny andro faharoa androany ny fitokonana faobe tarihan'ny mpanohitra atsy Mozambika Toherin'izy ireo hatramin'ny farany ny voka-pifidianana tamin'ny 9 oktobra lasa teo...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.