• Mikisaka mianatsimo ilay rivo-doza Dikeledi atsy amin'ny lakandranon'i Mozambika. Tany amin'ny 543 km avaratra somary andrefan'i Morombe no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Ho mafy ny rivotra entiny any amin'ny morontsiraka atsimo andrefan'ny nosy...
  • Mahazo rano ny tanimbary any amin'ny lemak'Alaotra. Manararaotra izany ny tantsaha ka ao anatin'ny fanetsana ireo izay mbola tsy nahavita izany. Tsy ho toa ny isan-taona anefa ny voka-bary amin'ity taona ity hoy izy ireo...
  • Manao antso avo amin'ny ministra tompon'anrdaikitra sy ny Bianco hanara-maso ny fitsaràna ny raharaham-pifidianana any aminy ny kandidà ben'ny tanàna ao Antsiranana. Manahy ny fisian'ny trangana kolikoly izy ireo...
  • Miditra amin'ny andro faharoa androany ny fitokonana faobe tarihan'ny mpanohitra atsy Mozambika Toherin'izy ireo hatramin'ny farany ny voka-pifidianana tamin'ny 9 oktobra lasa teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...