• Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana teratany sinoa miisa 3 antsokosoko any Shangai no tra-tehaky ny mpiasan'ny fadi-tseranana tetsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly tolak'andro...
  • Tapitra taorian'ny famoahan'ny SPATREC ny voka-pifidianana vonjimaika ny asan'ny CENI momba ny fifidianana ben'ny tanàna, ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana na ny RALE ankehitriny no asa hiantsorohany...
  • Nahemotra amin'ny volana aogositra 2025 ny lalao fifanitsanana ho an'ny CHampionnat d'Afrique des Nations (Chan 2024) noho ny mbola tsy fahatomombanan'ireo kianja tokony handray ny lalao...
  • Mihatra any Sierra Leone ny fepetra ho an'ny tany anaty hamehana ara-pahasalamana, taorian'ny fahitana ny trangan'aretina MPOX tamina olona miisa 2 tany amin'ity firenena ity ny alatsinainy teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...