Manao antso amin'ny hiandrasana amim-pitoniana ny voka-pifidianana ôfisialy avy amin'ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna ny filohan'ny fitsaràna avo momba ny Lalam-panorenana Florent Rakotoarisoa...
Nihena 35 hatramin'ny 40% ny fampiasàna solika mavesatra hamatsiana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo noho ny fiakaran'ny rano vokatry ny rotsak'orana...
Tsy hisy ny fotoam-pitsarana eny amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy ny zoma ho avy izao noho ny hetsika fambolen-kazo ataon'ny mpiasan'ny ministeran'ny Fitsaràna eny Tsiafahy...
Heritaona nisian'ny ady tao Gaza tsy ampy ny mponina intsony ny rano sy ny sakafo ary ny fanafody hoy ny antso fanairana nataon'ny UNICEF any an-toerana...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.