• Mafana ny toe-draharaha politika ao Andohan'Ilakaka eo am-piandrasana ny voka-pifidianana raikitra havoaky ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna anio alarobia ao Fianarantsoa, milaza ny tsy hanaiky ny mety ho fiovan'ny voka-pifidianana ireo mponina...
  • Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ary aharitra ora 3 isaky ny fahatapahana izany, raha ny fampahafantarana nataon'ny Jirama...
  • Sazy anterivozona 5 hatramin'ny 20 taona no miandry ilay raim-pianakaviana nahavita nivady tamin'ny zanany vavy nandritra ny 19 taona araka ny fanazavana nentin'ny tonia mpampanoa lalàna...
  • Farafahakeliny 66 isa ireo olona namoy ny ainy ary 51 isa ireo naratra nandritra ny fahamaizana nitranga tamina hotely tany Turquie ny alin'ny alatsinainy 20 janoary, hifoha talata...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...