Tara 5 taona Madagasikara amin'ny firosoan'ny mpitondra hanome vahana ny famokarana eny ambanivohitra. Tsy nanana finiavana hanao izany ezaka izany ny mpitondra tamin'ny fe-potoan-kiasan'ny voalohany ny filoha mitantana ny firenena amin'izao fotoana izao hoy ny Profesora Ralison Roger...
Hanomboka hizara amin'ny fomba ôfisialy ny masomboly safiotra na ny riz-hybride ny filoham-pirenena. Efa eto Madagasikara ny masomboly 200 taonina nafarana avy any Chine...
Tsy ho tratra ny fanambin'ny mpitondra amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara raha tsy misy fandraisana andraikitra manoloana ny fanabeazana sy ny fampianarana hoy ny kônfederasiônan'ny SEMPAMA...
Voatendry ho filoha mpisolo toerana vonjimaika any Syrie Andriamatoa Ahmad Al-Chareh, izay nandray ny fitantanana an'io firenena io taorian'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 8 desambra 2024...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.