• Misy ny akon'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco omaly 31 janoary. Nitarika ny Sorona Masina tetsy amin'ny Ekar Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely tetsy Ivato Mgr Jean de Dieu Raoelison...
  • An-jatony ireo mpanjono niandriaka ka nisedra olana noho ny toetr'andro ratsy, tany asimon'ny nosy. Nambaran'izy ireo fa tsy afa-manoatra vokatry ny fahasahiranana amin'ny fivelomana izy ireo...
  • Miisa 6 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana "Licence" ho an'ny taom-pianarana 2023-2024, mpianatra izay nisitraka ny fandaharan'asa teo amin'ny STAR sy ny Consulat an'i Monaco...
  • Miantso amin'ny hiarovana ireo mponina ao Goma indrindra ny fitondrana am-bavaka azy ireo ny Papa François...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...