• Nihaona tamin'ny Papa François tao Vatican omaly ny Birao maharitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Nisy ny hafatra nampitainy ho an'ny Eglizy eto Madagasikara...
  • Mitaky ny hanatsarana ny fitazomana an'i Fernand Cello am-ponja eny Antanimora na ny aza hamontsorana eny mihitsy ny "Reporter Sans Frontière". Efitra hamonjàna jiolahy no hametrahana azy hoy ny RSF...
  • Hisy indray ny hetsika fanenjehina ireo olon-tsotra misalotra fanamiana miaramila. Hisy ny fanentanana ataon'ny Emmonat ao anatin'ny 5 andro, mialohan'ny fampiharan-dalàna...
  • Naaton'ny Hamas ny fanafahana ireo bado an'ady israelianina tavela any amin'ny faritra GAZA. Fanitsakitsahana ny fifanarahana natao izany hoy i Israel, omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...