• 11 febroary 1975 — 11 febroary 2025, 50 taona androany ny nitifirana ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Lanonana ara-miaramila toy ny fanao isan-taona no nanamrihana izany teny Ambohijatovo, toerana nitrangan'ny fitifirana... • Mbola mila ezaka goavana i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly. Laharana faha-140 amin'ny firenena 180 isika araka ny IPC, ho an'ny taona 2024... • Niova ny daty hanaovana ny fihaonamben'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny gidro sy ny rajako, eto Madagasikara. Hotanterahana eto Antananarivo eo anelanelan'ny faha-20 sy ny faha-26 jolay 2025 indray noho izany io fihaonana io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...