• Tafahoatra hoy Ramatoa Sophie Ratsiraka ny fanenjehana sy ny fisamborana ireo mponina ao Antanambao-Mahatsara noho ny fitakiana nataony. Tanàna haolo no hita ao hoy ity solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry ity ary zara raha misy mpianatra ny sekoly...
  • Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny RADIO. Hisy anio tolakandro ho antsika eto Madagasikara ny fandaharana iombonan'ny onjam-peo maro hanehoana ny fanamarihana izany...
  • Tratry ny mpitandro filaminana tamin'ny lalam-pirenena faha-12, alina ireo nangalatra ilay zaza varira tao amin'ny tanàna iray tao Vohipeno. Avotra soa amantsara ilay zaza...
  • Tanterahana any Frantsa androany ny fikaonandoha iraisam-pirenena faha-3 handinihana ny momba an'i Syrie...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...