• Nodimandry tampoka ny ben'ny tanàna vaovao any amin'ny kaominina Karianga, distrikan'i Farafangàna. Fahafatesana nitranga ny ampitson'ny nahavitan'ny famindram-pitantanana...
  • Miato ny fampianarana amina CISCO miisa telo eto Antananarivo, noho ny fiakaran'ny rano. Voasokajy ho faritra mena amin'ny rano miakatra ny faritra Analamanga, nanomboka ny faran'ny herinandro teo...
  • Tsy mitsahatry ny mihatsara ny kalitaon'ny fandraisana etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Nitombo 14% ny isan'ny mpandeha noraisina tamin'ny taona 2024 iny...
  • Hisy ny fihaonana tsy ho ela eo amin'ny filoha amerikanina Donald Trump sy ny filoha rosianina Vladmir Poutine. Fihaonana mety hampitsahatra ny ady any Ukraine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...