Tsy mbola nisy mangirana, iray volana sy tapany aty aoriana ilay fitorian'ny Antoko HVM teny anivon'ny Sampana Misahana ny Heloka an'habaka, mikasika ny raharaha faénapariahana vaovao tsy marina, sy fanalambaraka nataona tambazotran-tserasera iray...
Tsy marisika intsony amin'y fisoratana anarana anaty lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena feno taona, tamin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE)...
Tantsaha manodidina ny 1.300 isa no voakasika amin'ny famerenana ny masomboly vary safiotra, nozarain'ny fitondram-panjakàna tao amin'ny kaominina Antanambe-Distrika Amparafaravola...
Mitohy ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman'ny Papa François ao amin'ny Hôpitaly Gemelli...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.