Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara : Mampatsiahy fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka sy hampisitrahana ny zo fototry ny olom-pirenena hahazo vaovao marina, voamarina sy marolafy no antom-pisian'ny asa fanaovan-gazety...
Fanafihana mitam-piadiana nisesisesy tao Antananarivo renivohitra : 5 isa ny jiolahy maty voatifitry ny pôlisy, 4 isa azo sambo-belona nahitàna vehivavy miisa 2, ary mbola misy karohina...
Atomboka amin'ity taona ity ny fanamboarana ny ampahany amin'ny RN-13, miainga eo Ikalamainty-Ihosy mihazo an'i Betroka, 100 miliara Ariary avy amin'ny Fanjakàna Malagasy no hanamboarana izany...
Mpianatra miisa 12 no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana teo amin'ny fiara nitondra azy ireo sy ny fiara vaventy iray tany Sao Paulo any Atsimo-Atsinanan'i Bresil...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.