Mety hivadika rivo-doza mahery "Cyclone Tropicale" ilay rivo-doza HONDE ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Efa mipaka any amin'ny morontsiraka atsimo-andrefana ny rahona miaraka aminy androany maraina...
Nihaona teny Tsimbazaza omaly ny mpikamban'ny Vaomieran'ny Fandriam-pahalemana notarihan'ny filohany sy ny Ministry ny Foloalindahy. Noresahana nandritra izany ny momba ny tsy fandriam-pahalemana amin'ireo Distrika maro manerana ny nosy, sy ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony...
Tombanana hatrany amin'ny 1.100.000 isa ny isan'ny mpandeha horaisin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ety Ivato amin'ity taona 2025 ity araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...
Namaky ady ara-barotra amin'i Eraopa ny fitondran'i Donald Trump. Hoampiharina amin'ireo firenena eraopeana koa y haban-tseranana 25%, ho an'ny entana miditra any Etazonia...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.