• Sazy an-terivozona mandra-pahafaty no miandry ireo voarohirohy miisa 18 tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tananan'i Mangataboahangy. Ananan'ny Mpitsara mpanao famotorana porofo manameloka azy, ireo olona ireo, hoy ny Tonia mpampanoa lalana... • Hentitra ny toromarika nomen'ny Lefitry ny Kaomandin'ny FIGN, ho an'ireo zandary mandrafitra ny Vondrona manokana miady amin'ny asan-dahalo andiany faha-37... • Fokontany Ankazotoa Anosimahavelona : Lakana mpampita olona no nivadika. Olona dimy tamin'ireo mpandeha 11 no avotra soa aman-tsara. Tonga nanampy tamin'ny fikarohana ireo olona enina lasan'ny rano ny mpamonjy voina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...