♦ Manohy ny fitokonana indray ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely, nanomboka ny maraina teo. Mitangorona manoloana ny vavahadin'ny Lapan'ny Tanàna izy ireo, mitsipaka ny fandaminan'ny kaominina Antananarivo... ♦ Tokony hifona sy hiala tsiny amin'ny Malagasy ny filoha frantsay amin'ny fahatongavany eto Madagasikara, hoy Andriamatoa Tintin Ravonison, mpanaraka ny raharaham-pirenena... ♦ Feno 26 taona ny alahady 31 marsa teo ny Radio Haja any Antsirabe. Naharitra roa andro ny hetsika nanamarihana izany... ♦ Olona an-jatony no naratra, vokatry ny fipoahana tamin'ny toby fitehirizana entona fandrehitra tany Malaisia, 500metatra ny haavon'ny lelan'afo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...