• Nahita marimaritra iraisana ny mpivarotra ao Analakely sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hiverina hivarotra ireo mpivarotra rahampitso, tao aorian'ny fifampiresahana tamin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo. Nidina an-dalambe nitady vahaolana maharitra moa izy ireo androany... • Voaheloka higadra telo taona sazy mihantona ny Kolonely Fanampera. Hainga ny fizotran'ity raharaha ity. Natao avy hatrany androany ny fitsarana azy tao aorian'ny fiakarany fampanoavana... • Tanterahana eny Ivandry nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny fako sy ny fiharian-karena mitsingerina, aty amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Miisa 14 ireo firenena mandray anjara amin'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...