♦ Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy ny fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara... ♦ Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no ho voakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Efa ôfisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe faha-8 ny tanora Afrikaéna mifandray, na ny "Youth Connect Africa Summit", izay ho tontosaina ny volana novambra 2025... ♦ Maherin'ny 39.000 ireo ankizy kamboty vokatry ny ady nanafihan'i Israely tany Gaza, nanomboka ny volana ôktôbra 2023 no mankaty...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...