♦ Nosazian'ny Fitsaràna ireo olona telo voasambotra nandritra ny lanonana fametrahana samboady ireo ben'ny tanàna any amin'ny Distrikan'i Vatomandry. Anisan'izany ny mpiara-miasa amin'ny Solombavambahoaka Sophie Ratsiraka... ♦ Mandrisika ny hitakiana ireo "Îles éparses" ho an'i Madagasikara amin'ny fahatongavan'ny filoha Frantsay eto ny antoko V.H.T. Izany no tokony atao raha tena tia tanindrazana ny filoham-pirenena Malagasy, hoy ny mpitarika ity antoko ity... ♦ Hiparitaka ny mpitandro filaminana, mandritra izao fiatrehana ny Herinandro Masina izao sy ho fiomanana amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...