• Mpiasan'ny Kaominina miisa 300, miampy ny mpiasan'ny minisitera maherin'ny 3.000 no nisahana ny fanadiovana ny tanana, ho fiomanana amin'ny fandraisana vahiny amin'ny Fivoriamben'ny COI... • Voasazy 10 taona an-tranomaizina, sazy mihatra, miampy fandoavana lamandy, ny olona roa manao fitrandrahana sokatra tsy ara-dalana. Iray amin'ireny ny Solombavam-bahoakan'i Soavinandriana... • Mampiantrano ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny toe-karena manga ny Faritra Atsimo Andrefana. Tanora avy amin'ny firenena afrikana maherin'ny 20, no mandray anjara amin'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...