♦ Fivoahana makany amin'ny Faritra amin'izao ankatoky ny fetin'ny Paka izao, mahalasa fiara 140 isa isan'andro tato anatin'ny 3 andro izao ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka... ♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana ataon'ny zandary amin'ireo lalam-pirenena mandritra izao faran'ny herinandro hakalazana ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka izao... ♦ Miezaka miala amin'ny fomba mahazatra isan'andro fotsiny ihany ny amin'ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Nitrangana loza nahatsiravina tao amin'ny Faritra avaratra-andrefan'i RDC, 143 no namoy ny ainy, noho ny fahamaizana seranan-tsambo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...