♦ Fivoahana makany amin'ny Faritra amin'izao ankatoky ny fetin'ny Paka izao, mahalasa fiara 140 isa isan'andro tato anatin'ny 3 andro izao ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka... ♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana ataon'ny zandary amin'ireo lalam-pirenena mandritra izao faran'ny herinandro hakalazana ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka izao... ♦ Miezaka miala amin'ny fomba mahazatra isan'andro fotsiny ihany ny amin'ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Nitrangana loza nahatsiravina tao amin'ny Faritra avaratra-andrefan'i RDC, 143 no namoy ny ainy, noho ny fahamaizana seranan-tsambo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...