♦ Ny sabotsy izao no fotoam-pandevenana ny Papa François, taorian'ny fodiamandriny. Efa voafaritra ihany koa ny daty hanatanterahana ny "conclave" hifidianana izay Papa handimby azy... ♦ Voalahatra anatin'ny lahadinika ny resaka "îles éparses" amin'ny fihaonan'ny filoha Malagasy sy Frantsay, rahampitso. Nampahafantatra izany ny mpitondra tenin'ny filoham-pirenena, omaly... ♦ Miasa toy ny isan'andro ny mpitatitra olona sy entana manerana an'i Madagasikara, rahampitso sy ny Alakamisy izao, hoy ny Ministeran'ny Fitaterana... ♦ Manao ranolava ny fanehoana fiaraha-miory voarain'i Vatican, noho ny fahafatesan'ny Papa François. Misaotra 7 andro ny any Argentine, niaviany...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...