♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonana an-tampony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI. Mandray anjara avokoa ireo firenena dimy mandrafitra azy... ♦ Mitohy ny fanampiana ara-bola ataon'ny frantsay na eo aza ny olana samihafa ara-toe-karena sy ara-tsôsialy miseho eran-tany hoy ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara... ♦ Nanambara ny Hery Politika Mitambatra fa tsy hetsika manamorona ny arabe no saika nataon'izy ireo omaly fa filanjàna sora-baventy tety Ivato. Tsy tanteraka nefa izany araka ny fanazavan'i Profesora Ralison Roger...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...