♦ Hamaha olana hampalaky ny raharaham-pitsarana ny fandraisana mpiraki-draharaha vaovao, tanterahina anio zoma 25 avrily ary hitohy rahampitso sabotsy 26 avrily ny fifaninana handraisana mpianatra ho mpirakidraharaha... ♦ Mitaky ny handraisana ho mpiasa ireo andiany faha-9 nahavita fianarana teo anivon'ny ENSET eny anivon'ny sekoly teknika ireo mpianatra nivoaka ny taona 2022-2023... ♦ Famatsiam-bola mitentina 1.000.000 Euro no omen'ny fitondrana Frantsay ho an'ny tetik'asa Ony, amin'ny fampivelarana ny tanora Malagasy amin'ny sehatry ny kanto nomerika... ♦ Anatin'ny fanomanana farany mialoha hiatrehana ny fandevenana an'ny Papa François, ny ao Vatican...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...