♦ Halevina anio ny nofo mangatsiakan'ny Papa François. Hisy ny Lamesa fanaovam-beloma azy farany eo amin'ny kianjan'ny Md Piera, hatrehan'ny olona an'aliny avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao... ♦ Tsy misy azo antenaina ny hamerenan'i Frantsa amin'i Madagasikara ireo NOSY MANODIDINA. Fanjanahan-tany amin'ny endriny vaovao indray aza no ataony, hoy ny solombavambahoaka an'i Faratsiho, momba ny fitsidihan'ny filoha Frantsay... ♦ Sendikalista 2 no nampidirina am-ponja vonjimaika, 2 voaroaka ao amin'ny orinasa SMMC any Toamasina. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny MInistera voakasik'izany ny Sendikà FISEMARE...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...