♦ Ambana ho an'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny firoboroboan'ny teknôlôjian'ny fifandraisana ka nipoiran'ny saina voatran'olombelona hoy ny mpanao gazety Lova Rabary... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina rahampitso... ♦ Sarotra ny hanafoana ireo taxi-bicyclette izay efa miasa ao an-drenivohitra ao fa ny faritra hiasany no tokony ho ferana, hoy Mahery Miller, mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mifanentana hanao hetsika goavana anio sabotsy ireo antoko pôlitika any Mali...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...