♦ Fianakaviana tsy manan-kialofana miisa 12 no manaiky hiverina any an-tanindrazany any Vakinankaratra, rehefa nialokaloka teny amin'ny Centre SEBa sy MAD CAP eny Isotry, hitohy ny hetsika tahaka izao, hoy ny Ministry ny mponina sy ny firaisankina... ♦ Ny 58% amin'ny ankizy mpianatra eto Madagasikara dia saika efa niharan'ny herisetra tany an-tsekoly avokoa, raha ny tatitry ny fikambanana tsy miankina Stop Harcèlement Scolaire... ♦ Mahatsiaro tena ho atao anjorom-bala i Frantsa amin'ny fisitrahana ny fitrandrahana ireo harena ankobon'ny tany eto Madagasikara ka izay no mahatonga ity firenena ity maniry ny hitrandraka ny "terres rares" eto amin'ny nosy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...