♦ Tsy niandry ela fa androany maraina ihany dia efa nivoaka ny fonjan'Antanimora ny vadin'ny Kôlônely Patrick rakotomamonjy. Ity manambonahitra ity izay enjehina sy karohana noho ny fametrahana cocktail molotov teny Antanimena sy 67ha... ♦ Fanadihadiana tamin'ny mpahay lalàna momba ny baiko nomen'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina hamoahana ilay renim-pianakaviana teny Antanimora iny... ♦ Tsy nomen'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena toerana tao anatin'ny fandaharam-potoana ny lahadinika naroson'ny solombavambahoaka mpanohitra, tamin'ny fivoriana farany teo hoy ny solombavambahoaka Jean Jacques Rabeniriina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...