♦Tsy hisy ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna amin'ity taona ity. Midika izany fa manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Ralison Roger... ♦ Henjehina araka ny lalàna ireo tratra manimba na mangalatra ireo fefy vy napetraka eny amin'ny farihin'Anosy. Natolotra ny Ben'ny tanàna omaly ny bokin'andraikitra fikojakojàna sy fiarovana ny asa vita eny an-toerana... ♦ Dahalo 80 lahy no nanafika tanàna, ary naka omby roa vala tany Antanandava, Distrikan'i Bekily Androy. Namoy ny ainy tamin'izany ny miaramila telo lahy sy zanaky ny Ben'ny tanàna ao Mitsinjo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...