♦Tsy hisy ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna amin'ity taona ity. Midika izany fa manana olana amin'ny fidiram-bola ny Fanjakàna hoy ny mpahay toe-karena sy fitantanana Ralison Roger... ♦ Henjehina araka ny lalàna ireo tratra manimba na mangalatra ireo fefy vy napetraka eny amin'ny farihin'Anosy. Natolotra ny Ben'ny tanàna omaly ny bokin'andraikitra fikojakojàna sy fiarovana ny asa vita eny an-toerana... ♦ Dahalo 80 lahy no nanafika tanàna, ary naka omby roa vala tany Antanandava, Distrikan'i Bekily Androy. Namoy ny ainy tamin'izany ny miaramila telo lahy sy zanaky ny Ben'ny tanàna ao Mitsinjo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...