♦ Namoaka hafatra ny "Justice et Paix" eto Madagasikara, androany. Misongadina amin'izany fa mahantra ny ankamaroan'ny Malagasy, nefa ahitàna otrikarena maro i Madagasiara... ♦ Mandeha ny resaka eny Tsimbazaza momba ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ; solombavambahoaka maromaro, mpanohana ny fitondrana no voalaza fa mikononkonona izany...♦ Natao androany ny fifidianana ny solontenan'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CNIDH. Nisy sasantsasany amin'izy ireo no nilaza fa nametraka fitoriana satria tsy nanara-dalàna ny fifidianana... ♦Nahafatesana olona 2 sahady ny fiandohan'ny vanim-potoanan'ny doro ala sy tanety any Canada...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...