♦ Tontosa omaly alahady ny fametrahana ôfisialy an'ny Papa Léon-XIV amin'ny toerana maha Papa azy ho dimbin'i Masindahy Piera faha-267...  ♦ Fotoana nanokanana an'i Madagasikara eo ambany fiarovan'ny Fo Masin'i Jesoa ny fanatanterahana ny Pelerinazy Nasiônaly tao amin'ny Distrika Misiônera Andasibe-Ampefy, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy ampy hoy ny fanehoan-kevitry ny kôlônely Fanampera ny fanazavana nomena ny mponina ao Toliara avy amin'ny fitondram-panjakàna sy ny orinasa Base-Toliara, momba ny raharaha fitrandrahana fasimainty...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...