♦Namaranana ny fivahininana Masina Nasiônaly nanamarihana ny taon-jaobilin'ny fanantenana tany Ampefy omaly ny hafatra avy amin'ireo Ray aman-dreny Eveka ho an'ny Kristianina indrindra ny Katôlika... ♦ Vokatra 12 eto Madagasikara amin'izao no efa misitraka ny fepetra fiarovana avy amin'ny ANMCC noho ny fitobaky ny famokarana avy any ivelany... ♦ Nahatratra 45 ireo tranga fahaverezana ankizy tsy ampy taona tao anatin'izay 5 volana voalohan'ny taona 2025, raha ny tarehimarika navoakan'ny eo anivon'ny Polisim-pirenena... ♦Lany ho filoham-pirenena Roumanie i Nicursor Dan nandritra ny fifidianana ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...