♦Mihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina, haharitra 15 andro any ho any ny ho faharetan'izay, ka mahatratra ora 2 na 3, isaky ny faritra voakasika... ♦ Hiantso fihaonana mivantana amin'ny birao maharitra eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka mpanohitra, nahemotra amin'ny fotoana tsy mbola voafaritra ny lahadinika naroson'izy ireo... ♦ Laharana fahatifo aty Afrika amin'ny famokarana tantely i Madagasikara, mamokatra tantely 3.000-4.000 taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika nivoaka ny taona 2023...