• Mbola tsy mifarana ny ady hevitra momba ny fitrandrahana hataon'ny Base Toliara, na dia efa nidina ifotony nanazava sy niresaka tamin'ny alalan'ny lahateny mivantana tamin'ireo olona mandà ny tetikasa aza ny Filohan'ny Repoblika... • Mahantra manampy ny mahantra. Nanao ezaka ho an'ny taon-jobily  2025, ireo vahoaka sahirana eo ambany fiahian'i Mompera Pedro, ka nahangona vola 30 tapitrisa Ariary... • Omena sehatra hampahafantarana ireo asam-pikarohana sy voka-pikarohana ao aminy, ireo oniversitem-panjakana manerana ny nosy, araka ny tinapaky ny COPRIES, izay rafitra ambony manapaka ny fiainan'ny oniversite...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...